29/09/2025
Miarahaba tompoko, efa miverina ny fampianarana rahampitso talata 30 septembre. Misy fiovana toy izao manaraka izao ny matières hatao rahampitso :
🛑Seconde : français (8-10) économie (10-12), ny ariva tsy miova.
🛑Première : mathématiques financières (8-10) français (10-12), tsy misy fiovana ny ariva
🛑Terminale : tsy misy fiovana
Izany dia noho ny fahatapahan'ny lalana sasany ao Antananarivo ka tsy ahafahan'ireo mpampianatra sasany miakatra aty ampianarana rahampitso.
Mankasitraka indrindra tompoko.
IET AMBOANJOBE
25/09/2025
Ho fiarovana ny mpampianatra sy ny mpianatra dia mihato ny fampianarana rahampitso zoma 26 septembre 2025. Ny alatsinainy ho avy izao no miverina.
05/09/2025
Ny Alakamisy 11 SEPTEMBRE 2025 ny fidirana eto amin'ny IET AMBOANJOBE.
01/09/2025
Arahabaina ireto ankizy afaka baccalauréat ireto, reharehan'ny sekoly ianareo.
Olo-mahay raha tsy very mandeha.
22/08/2025
Baccalauréat 2025 Antananarivo
22/07/2025
Inscription ouverte (en ligne ou sur le lieu)
Contact ☎️: 034 36 436 60
01/08/2023
Ireto avy ny tombony azon'ny ankizy mianatra amin'ny sekoly teknika :
✓ny fahazoana "orientation" dieny mbola vao "classe de seconde"
✓fianarana tonga dia mifandray amin'ny fiainana andavan-andro
✓mora mahita asa
Mbola maro fa ny azo antoka dia tsy ho very mandeha ny ankizy "technique".
25/07/2023
Diplaoma ara-panjakana daholo no sitrahin'ireo ankizy mianatra amin'ny sekoly teknika, ireto avy izy ireo:
✓BEP: Brevet d'études professionnelles, izay mitovy lanja amin'ny baccalauréat. Eny mbola manatombo aza io diplaoma io any ivelany (Espagne, Allemagne,...) eo amin'ny sehatry ny asa.
✓ Baccalauréat : izay ahafahana manohy fianarana eny amin'ny "Université".
Manana tombony lavitra ny ankizy manana BEP sy bacc manoloana ny ankizy manana Bacc.
22/07/2023
Séance d'orientation, de remise à niveau : mois de septembre
19/07/2023
Ho antsika mitady sekoly teknika dia efa misokatra ny fisoratana anarana eto amin'ny "Lycée technique professionnel IET Amboanjobe".
BEP 2023: 100%